Antson’ny GEC na Vovonana Mpisavalalana

(Document pour information)

 

gec

 

Fampahatsiahivana

 

Manoloana ny toe-draharaha misy eto Madagasikara

– Ny Vovonana mpisavalalana sy miatrika fifanatonana, GEC

dia mampahatsiahy ary misarika ny feon’ny fieritreretana lalina eo amin’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka, fa indrindra ireo tanora iankinan’ny hoavy. Izany no votoatin’ireto fanamarihana vitsivitsy ireto arahina fampahatsiahivana izay miantefa amin’ny olompirenena Malagasy tsy anavahana.

 

Votoatiny : mahatsapa ny GEC, fa vao manomboka, dia misedra indray ny tsindry avy amin’ireo kajikajy politika mampisarabazana ny zotrasa FAMPIHAVANAM-PIRENENA (processus de Réconciliation).

 

FANAMARIHANA

1- Nanomboka tamin’ny andron’ny fanjanahantany ka hatramin’izao, ny fanadihadiana natao rehetra dia manambara fa latsaka ankaterena tanteraka ny firenena manontolo, ary zava-doza no mitatao amin’ireo taranaka fara aman-dimby Malagasy. Kanefa tsy mbola misy tena fanapahan-kevitra hentitra noraisina ifotony hatramin’izao.

 

2- Tandindomin-doza lalina ny firenena Malagasy (Atteinte à la sûreté de la Nation)

 

3- Potika ny foto-drafitrasa lehibe rehetra, ary tsy misy fikojakojana. Potika ireo faritra noheverina fa sompitra eo amin’ny famokarana na fiompiana. Tsy misy politika fihariana mazava.

 

4- Tsy misy politika hentitra momba ny fanajariana lemaka vaovao miaraka amin’ny tambazotran-drano na angovo mifandraika amin’izany. Na misy aza zary fampanantenana poakaty tsy arahin’asa, na tsy misy famatsiam-bola akory. Toetsaina fandaniam-bola no mibahan-toerana ao amin’ny tetibola fa tsy fampivoarana mifandraika amin’ny hetahetam-bahoaka.

 

5- Hatramin’ny ela no efa voalaza fa tandindomin-doza ny firaisam-pirenena, ATERAKY NY ZARA GEGY, halaim-panahy isika hifanilika andraikitra na hifanondrotondro hoe iza no tompon’antoka amin’izao fahavoazana lalina izao. Tsy ny harena no tsy misy.

 

6- Potika ny fototra ara-toekarena rehetra na ny fambolena, na ny fiompiana, na ny tambazotra fanjariana, na lakandrano na fantsona na fefiloha na hesika na fotodrafitrasa fitrandrahana angovo noho ny tsy fisian’ny kojakoja na fampivoarana mifanaraka amin’ny teknolojia mifanentana amin’ny vokatra kendrena.

 

7- Potika, zary nofinofy ireo orinasa nosokajiana ho orinasam-panjakana nahatratra 167 kanefa 25 no sisa mitsipozipozy miandry ny fivarotana azy varoboba amin’ireo mpividy korotamby amin’ny kilao. Tsy misy na orinasa iray mijoro ao Toliara, izay dobo ao anatin’ny kere isan-taona, dia ho sanatria ve ho voahozona hisotro ranom-potaka miandrona eny amin’ny arabe izay sady hitsahin’ny fiara mandalo no hamanian’ny omby no ho sisa fisotro, raketa manta no ho fihinana isan’andro ? Mihena isan-taona ireo orinasa amin’ny faritra hafa. Mitombo hatrany ireo tsy an’asa.

 

8- Miafoana tanteraka ny fahatokisan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana, fa indrindra manoloana ny raharaha FITSARANA, sy ny asam-panjakana ankapobeny (Administration), singanina amin’izany ny momba ny raharaha FANANAN-TANY. Mandry tsy lavo loha ny vahoaka noho ny hafitsoky ny kolikoly, sy fangalana ankeriny ny tany na faritra fiveloman’ny vahoaka Malagasy, na lemaka fambolena, hatramin’ny kianja fanavaon’ny tanora fanatanjahantena toy izay niseho tao Vavantenina. Mibaribary ny tsy rariny, ny fanaovana amboletra sy ny horohoro.

Miha mahazo vahana noho izany ny FITSARAM-BAHOAKA HANEHOAN’NY MALAGASY NY HATEZERANY AMIN’NY FARITRA REHETRA MANERANA NY NOSY, ka nahatonga azy hitaky ny hamoahana na handorana velona izao olona mamoafady eo amin’ny fiaraha-monina, na dia efa nahiditra am-ponja, na efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana aza ireny olona heverina fa fanetriben’ny firenena ireny, ka takian’ny vahoaka mba hizaka ny sazy famaizana faratampony amin’ny afo, toy izay niseho tao Mananara Avaratra farany teo, nahitana olona enina nodorana velona. Tsy vao sambany no nahitana mpitandro filaminana voatery namoaka ny olona efa voasambotra, naka fanapahan-kevitra na hampilefa ireo heverina fa jiolahy, na manolotra azy hiaran’ny fitsaram-bahoaka, rehefa tena tsy voatana na mety hiteraka ra mandriaka tsy voavinavina manoloana ny hatezeram-bahoaka efa nivangongo aman-taonany maro, indrindra raha fantatra fa isaky ny tratra izy ireo dia hafahan’ny fitsarana madiodio noho ny kolikoly, avy eo matetika ireo jiolahy mifototra amin’ny mpitory ary mamaly faty.

– Manjaka koa anefa ny tsaho fa tandindomin-doza ireo tsy manan-tsiny noho ny tondro molotra na ny endrikendrika na andrenivohitra na ambanivohitra.

– Noho ny antony tsy voatanisa dia mihen-danja isan’andro ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitandro filaminana ; tsapa fa toa ireo natao hiaro indray no lasa mpandroba, toa zava-poana ny teny filamatra “tandroka aron’ny vozona”. Zary zava-poana ny fitsipi-pifehezana. Potika ny soa toavina Malagasy, mira tany tsy misy olobe.

 

9- Rakotry ny fahantrana tanteraka ny vahoaka Malagasy amin’ny ankapobeny ary olom-bitsy no manararaotra ny fahatsoram-pon’ny vahoaka. Ny karama tsy zarizary na tsy misy mihitsy, ary na mitovy mari-pahaizana aza dia misy fanavakavahana mihoapampana ny maridrefy momba ny karama hampiharina amin’ny Malagasy raha oharina amin’ny teratany vahiny, ary tsy misy andraikitra mazava raisin’ny mpitondra amin’izany hisorohana ny fanaovana tsinontsinona ny mpiasa Malagasy. Tandindomin-doza ny tanan-dehibe rehetra tsy misy fitaovana ampy hiatrehana ireo loza voajanahary. Vao rotsak’orana maharitra, na tsy arahin-drivodoza aza dia mandripaka.

Foana ny kitapom-bolam-pirenena. Ny kely sisa hifandroritana. Vola fanampiana avy any ivelany no mameno ny tetibola. Lasa firenena mpangataka sy dobon-trosa i Madagasikara nefa ankalazaina fa tany manana ny akora sy harena vitsy mpanana maneran-tany. Izay Malagasy mba miteny heverina ho very saina, fonjaina maharitra. Mitsabaka amin’ny raharaha fitantanana ny masoivoho vahiny sasany ary tandindomin-doza ny fiandrianam-pirenena sy ny hasin’ny Tanindrazana.

Misy mihoatra ny 270 ireo nosy Malagasy madinika manodidina an’i Madagasikara fantatra fa misy harena sarobidy, nefa bodoin’ny firenena zatra mpandroba.

Tsy misy intsony MAMPIAVAKA ny maha renivohitr’i Madagasikara an’Antananarivo. Manjaka ny vonjy rano vaky. Ny vahoaka mitaky vahaolana maharitra sy tena fivoarana. Tsy misy fiomanana.Mahantra hatramin’ny antoko.

 

10- Mahatsapa ny maro fa izay fitrandrahana harena, na endri-pitantanana natao teto Madagasikara hatr’izay dia tsy misy fiheverana ny tombontsoam-pirenena ary manjaka tanteraka ny gaboraraka sy ny firaisana tsikombakomba sy ny fanondranana ankarihary atao modian-tsy hita. Nahazo vahana ny famotehana ny hery fiarovana ny firenena (fragilisation)

 

FEHINY :

TRABOINA TANTERAKA I MADAGASIKARA

TRABOINA NOHO NY TOETR’ANDRO

TRABOINA NOHO NY FAHANTRANA, sy ireo lesoka ara-pitantanana

VAHOAKA MASIKIGNY, TSY MAHALOA TROSA, MPITSIMPONA FAKO, TSY MISY MPIAHY, no hany mba sary haelin’izao tontolo izao momba an’i Madagasikara sokajiana ho tsy ampy sakafo. FIRENENA MANGATAKA LAVA.

Ny manan-katao tsy taitra

Mananontanina ny ady an-trano.

Manoloana izany rehetra izany sy izay zava-misy rehetra tsy voatanisa etoana : ny GEC (Groupe Eclaireur de Contacts) Vovonana mpisava lalana sy miatrika ny fifanatonana dia :

MAMPAHATSIAHY,

MISARIKA NY SAIN’NY VAHOAKA MALAGASY

 

VAHAOLANA VE ?

 

– Tsy vahaolana velively ny fampiasana hery famoretana,

– Tsy vahaolana ny fisamborana faobe rehefa misy fitsaram-bahoaka satria matetika dia ireo tsy manan-tsiny no sisa voatazona ary noho ny kolikoly ireo manan-katao na hitam-bahoaka fa meloka aza dia votsotra. “Ny hery tsy mahaleo ny fanahy.”

– Tsy vahaolana maharitra velively ny fampiasana fitaovam-piadiam-panjakana mahery vaika entina mamotika faritra na mponina na tanàna iray manontolo satria fantatra fa ny fahantrana lalina no mampirongatra ny asan-dahalo, sy ny tsy fandriam-pahalemana ary tsy hisy velively mahantra lasa dahalo ka hiova fo tampoka ao anatin’ny fahantrana. Hevi-diso ny fandaniana ny volam-panjakana amin’izany.

 

MOMBA NY FAMPIHAVANAM-PIRENENA

 

Ny Vovonana mpisavalalana GEC dia mampahatsiahy fa :

1- Iankinan’ny ho avin’ny firenena Malagasy iray manontolo ny Fampihavanam-pirenena ary sahan’asa tsy azo ihodivirana io, hamerenana ny firaisankinan’ny vahoaka miorina amin’ny soa toavina Malagasy. Tsy hisy tombontsoa iombonana vanona raha tsy miray hina ny vahoaka Malagasy fa indrindra eo anatrehan’ny “zarazarao anjakana”.

 

2- Ny Vovonana mpisavalalana GEC dia maneho fankaherezana manoloana ny ezaka ataon’ny FFKM hirosoana amin’ny Fampihavanam-pirenena marina, mifandraika amin’ny hetahetan’ny maro, eo anivon’ny fiainam-bahoaka ary manao antso avo tsy hisy Filoham-panjakana mpitondra na efa avy nitondra hamilivily izany.

 

3- Mampahatsiahy fa saro-pady loatra ny fampihavanam-pirenena fa tsy azo hafangaro amin’izay kajikajy politika manokana entanin’ny fitiavan-tena efa nampisarabazana hatr’izay, na iza na iza alaim-panahy hanao izany.

 

4- Manoloana ireo fitsabahana samihafa, manoloana ny fiandrianam-pirenena Malagasy, tsiahivina fa masi-mandidy amin’ny taniny ny Vahoaka Malagasy na inona fiaraha-miasa na inona fifanarahana atao. Tsy hanaiky mihitsy ny GEC.

 

FAMPIHAVANAM-PIRENENA MISOKATRA AMIN’NY SAHAN’ASA FANORENANA IFOTONY NY FIRENENA

 

 

Ny Vovonana mpisavalalana GEC dia mampahatsiahy fa ny fanorenana ifotony ny raharaham-pirenena dia mametraka ny tsindrim-peo manokana eo amin’ny lafiny ara-pitantanana sy loharanon-karena misy eto Madagasikara mba ho tombontsoan’ny vahoaka Malagasy aloha. Tsy ekena ny fanaovan-tsonia be fahatany. Maro ireo fanapahan-kevitra lehibe sy fepetra fototra tsy maintsy ho raisina,mitaky tena fitiavan-tanindrazana.

 

TSY AZO SARAHINA NY SAHAN’ASA FAMPIHAVANAM-PIRENENA SY NY SAHAN’ASA FANORENANA IFOTONY

 

Manam-pahaizana maro no efa nampahafantatra fa : ny fampandrosoana ny firenena iray dia mitaky atrik’asa maharitra amam-polo taona eny mety anjato taona mihitsy aza, satria mitaky dingana maro, ary fisedrana tsy maintsy lalovana, kanefa miankina aloha amin’ny fahasahiana mitsangana mitraka, mandray andraikitra feno na inon-kidona na inon-kihatra. Tsy vokatry ny fahagagana tampoka velively ny fampandrosoana fa ateraky ny finiavana manao fanitsiana ary indrindra mampiasa ny traikefam-pirenena sady manome lanja ny tomban’ezaka mahitsy. Tsy misy izany rehetra raha tsy ahy manomboka isika, miainga amin’ny drafitra sy tanjona iombonana mazava. Fepetra maro sy hentitra no takian’ny fanorenana (refondation) ary miankina amin’ny firaisankin’ny vahoaka Malagasy. Misy drafitra voavolavola vonona.

 

Aoka tsy ho diso fihevitra isika : Ny firenena efa mandroso no manonofy “fampandrosoana maharitra” fa ny firenena mahantra sy dobon-trosa tsy maintsy mifoha aloha, ary manapa-kevitra fa hiainga hanavo-tena hiala avy ao anatin’ny lavaky ny fahantrana (pauverty trap). Adidin’ny olom-pirenena rehetra izany ary mitaky ezaka.

 

Izao fampahatsiahivana izao no natao dia satria efa miomana amin’izany Fanorenena ifotony izany ny Vovonana Mpisavalalana GEC ho fanavotana ny Firenena, koa miantso ny fikambanana na antoko mahatsapa ny lanjan’izao zotrasa izao mba hiray hina.

Laisser un commentaire