Manohy ny fitaizany ny mpanjifa ny orinasa Manda

Ny fitaizana ny mpihinana ho tia ny hazandrano ary hanjifa izany dia fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny toekarena anaty. Izany no mandrisika ny mpanorina ny orinasa Manda handray anjara amin’ny hetsika ara-barotra etsy sy eroa ary mivarotra sakafo mifotra amin’ny hazandrano.

Ramatoa Razakanavalona Bakoly mpanorina ny orinasa amperinasa

Ramatoa Razakanavalona Bakoly mpanorina ny orinasa amperinasa

Filaharambe no tazana teo @ tranohevan’ny orinasa Manda. Tao amin’ny Grande Braderie de Madagascar na GBM andiany faharoa amin’ity taona 2015 ity no nahitana izany. « Tsisy hipetrahana e » hoy Ramatoa Bakoly Razakanavalona tale mpanorina ny orinasa. Hita soritra eny amin’ny tarehiny ny harerahana. Mbola vao misasaka anefa ny andro io asabotsy 30 mey io. Rahoviana vao ho hariva ny andro ary ny olona mibosesika hatrany ao amin’ity hetsika arabarotra ity. Na miasa mafy aza izy dia tazana misoritra ny hafalian’ity mpivarotra trondro.

 

« Handrisika ny olona hanjifa ny hazandranomasina no tanjon’ny orinasa Manda raha mandray anjara amin’ny hetsika arabarotra izahay » hoy ity tale ity. Marihina moa fa olona hividy sakafo masaka eo amin’ny tranoheva ireo marobe ireo. Ny hazandrano no fototry ny sakafo. Misy ny salade de fruits de mer misy poulpe sy calamar na koa ny filet de poisson natono samy miaraka amin’ny legioma isankarazany ireo. Afaka entina mody ho an’ny any antrano na koa afaka mihinana eo antoerana. Tsy naharaka ny latabatra nomanin’ny orinasa eo amin’ny tranoheva. Tsy sarotiny anefa ireo mpanjifa fa dia nipetraka amin’ny tany eo amin’ny tohatra ao andamosin’ny tranoheva izy ireo no nandefa ny commande sy nihinana. Tahaka ireny manao pique-nique ireny. Tsy nampoizina izao fahombiazana izao raha ny fahitana azy.

 

Raha hiverenana dia famporisihana ny olona hanjifa hazandrano no nanentana an-dRamatoa Bakoly Razakanavalona raha nivarotra sakafo masaka mifototra amin’ny hazandrano izy. « Ny orinasa Manda dia mpivarotra hazandrano no antom-pisiany. Tsapako anefa fa fa kely loatra ny hazandrano jifain’ny Malagasy ka izay no nahatonga ahy sy ny ekipako hanao izao hetsika izao » hoy ity tale ity. Nomarihany fa manondrana hazandrano any ivelany no tena ataon’ny orinasa Manda madavan-taona na eo ihany aza ireo toeram-pivarotana vitsivitsy tazana ao Antananarivo.

 

Kely loatra ny hazandrano jifain’ny Malagasy ary fantatra ihany koa ambany ny fahefa-mividin’ny isan-tokantrano ka aleon’ny mpandraharaha mitady lalam-barotra manondrana ny entana toa izay manetsika ny tsena anaty eto. Isan’ny tena olana io ho an’ireo orinasa afaka mamokatra entana bebe kokoa. Tsy maintsy mijery izany lafiny izany ny fanjakana. Mangataka ireo mpamokatra mba hakelezina ny haba sy hetra alaina amin’izy ireo mba hahafahana mivarotra ny entana vokarina ho moramora kokoa eto antoerana. Ny fikarohana lalambarotra any ivelany koa anefa dia asa sarotra fa tsy izay rehetra te hanondrana entana dia afaka manondrana avokoa. Samy hafa ny fenitra eto sy ny fenitra any ivelany. Tolona ny resaka ekonomika fa tsy tsetsetra.

 

Marihina fa feno roapolo taona amin’ity taona 2015 ity ny nanokafan’ny orinasa Manda ny toeram-pivarotany voalohany ary roapolo tana amin’ny taona (2016) ho avy ny nanondranany vokatra any ivelany.

Laisser un commentaire