“Modely aho ka tsy te ho voaantso” hoy Andry Concept

Samy nandre ny fisian’ny kandida ho ben’ny tanàna ao Antananarivo nampiantsoan’ny Cenit ny mpanara-baovao” hoy Andry Ranaivo fantatra amin’ny solon’anarana Andry Concept. Ho azy dia henatra izany kandida mihevitra hitondra tanàna kanefa nampanantsoina na dia tsy nisy aza fahadisoana natao. “Tsy mety amiko izany” hoy izy.

Maro ny tranga misy izay tsy eken’i Andry Concept.  Izay tsy fanekeny izany tranga izany no nahatonga azy nangataka fihaonana tamin’ireo mpiandraikitra ny Cenit. Tonga teny amin’ny foiben’ity rafitra mahefa ity i Andry Ranaivo ny alatsinainy 1 jona teo niaraka tamin’ireo mpiara-miasa akaiky aminy. Nandray ity mpitarika ny lisitra Stand up Tana ity sy ireo mpiara-dia taminy ny Sekretera Mpanatanteraka, Andriamatoa Rasolonjatovo, sy ny Mpampakateny, Andriamatoa Fano Rakotondrazaka.

Ny ohatra tsara dia tokony miainga avy any ambony” hoy izy tamin’ireo mpiandraikitra ny Cenit. “Tsy mety amiko ny hahazo fiantsoana noho ny tsy fanarahan-dalàna kanefa dia mihevitra ny  hitondra tanàna aho” hoy izy. Henatra izany ho azy ka mba tsy  ho tratran’izany dia tiany hazava kokoa ny famaritana izay azo hatao sy tsy azo hatao izay. Notsiahiviny fa noho ny fampiasan’ity mpilatsaka ho fidiana ny voambolana kandida ao anatin’ny carte de visite no nahatonga azy ho voaantso. Kanefa, etsy ankilany, ny antoko politika sasany dia mampiseho vahoaka ireo kandida ao anatina distrika iray kanefa tsy misy ny fampiantsoana. Misy ny kandida mampiseho fa tohanan’ny fikambanana zaka avy atsy Ananona ary dia mety izany satria tsy misy fampiantsoana. “Izahay koa anie ka manana fikambanana zanaka avy atsy afaka manohana anay” hoy ny loha lisitry ny Stand Up Tana. Misy ireo kandida mitokana sekoly ary dia misosa izany. “Mba manana namana mpitantana sekoly izay mila tohanana ary omena dabilio izahay ireto” hoy ity kandida ity.

 

Milaza ity kandida ity fa tsy nataony ny fanaon’ny hafa satria izay no noheverina fa manaraka ny lalàna. “Tsy te hanana ny marina ka mitavozavoza izahay ireto” hoy ny mpitarika ny Stand Up Tana.

 

Manoloana ny fangataham-panazavana nataon’ny Stand Up Tana dia nilaza ny Cenit fa efa manomana fotoana hamoriana an’ireo kandida mirotsaka eto Antananarivo renivohitra izy ireo. “Tsy ho vita ny handray anareo kandida 7135 tsirairay avy manerana ny Nosy tahaka izao hatao anareo izao fa aleo voriana miaraka ka hatomboka aminareo eto Antananarivo izany” hoy Andriamatoa Rasolonjatovo.

 

Dia ho hita izay ho tohiny fa hatreto aloha dia mitohy hatrany ezaka ataon’ny kandida sasany mba ho hita. Hery Rafalimanana dia namory mpanao gazety ny talata maraina ary dia namerina izany indray ny alarobia maraina. Propagandy izany sa fampahalalam-baovao ? Ho an’ny Cenit dia mazava fa manomboka ny 15 jolay ny fisokafan’ny propagandy ary tsy misy araka ny famaritan’ny lalàna ny antsoina hoe précampagne na fampielezan-kevitra mialoha.

 

Nilaza ireo mpiara-dia tamin’i Andry Concept tonga teny amin’ny foiben’ny Cenit fa manoloana ny zava-mampisalasala dia tanterahan’izy ireo ny tarigetran’ny Stand Up : mitsangana.

Izay sahy maty no mifono lamba mena. Izay tokoa ve ? Marihina fa ho sarotra ho an’ny kandida ao Antananarivo ny hitety ny fokontany 192 manerana an’Antananarivo Renivohitra  ao anatin’ny 15 andro faharetan’ny fampielezan-kevitra. Ka ahoana no tokony ataony ? Tandremo sao hanangonan’ny mpifanandrina porofo ka mametraka fitoriana izy e… hoy ny eo anivon’ny Cenit. Fampitandremana satria efa nisy izany kandida depiote tena nahazo vato betsaka saingy tratry ny fitoriana tahaka izany ka nofoanana ny vokatra tamina biraom-pifidianana sasany ary dia nivadika ny vokatra. Iza no mitady hifono lamba mena ? Tantara vao manomboka ity fifidianana ho ben’ny tanàna ity.

Ireo mpiara-dia tamin'i Andry Concept

Ireo mpiara-dia tamin’i Andry Concept

 

Maka toerana ireo mpikambana Stand Up

Maka toerana ireo mpikambana Stand Up

Miandry ny Sekretera Jeneraly

Miandry ny Sekretera Jeneraly

Misokatra ny dinika

Misokatra ny dinika

Mety azo lazaina fa coup médiatique koa ny anareo Stand Up tonga eto izao.

Mety azo lazaina fa coup médiatique koa ny anareo Stand Up tonga eto izao.

Une réponse à ““Modely aho ka tsy te ho voaantso” hoy Andry Concept

  1. Pingback: “Modely aho ka tsy te ho voaantso” hoy Andry Concept (Blog SoriMada) | AEMW·

Laisser un commentaire